Fihariana

Malagasy tsara fihary, Madagasikara mandroso

Manana tetikasa tianao tanterahina ve ianao?

Hifandray

Efa 18 ka hatramin’ny 59 taona ve ianao?

Na tantsaha ianao na mpandraharaha!
Na mpanao asa tanana na indostrialy!
Na mbola mpianatra na efa miasa, na olom-pirenena tsotra mihitsy aza?

Te hanatanteraka sy hampivelatra ny tetikasanao ve ianao?

Aza misalala manoratra anarana!

Fanazavana

Inona no atao hoe FIHARIANA ?

Programa Nasionalim-panjakana novolavolain’ny Filoha Andry Rajoelina, fandaharana hanomena fanohanana ara-teknika sy ara-bola ireo Malagasy manana tetikasa azo tanterahina. Ireo mpanoratra anarana hita fa tena vonona ary manana tetikasa maharesy lahatra dia afaka mindrana 200.000 Ariary ka hatramin’ny 200 tapitrisa Ariary hanatanterahana ny tetikasany.

Hamantatra misimisy kokoa

PRM de Madagasikara

Hafatry ny Filoha

Andry Rajoelina

« Niainako ny zavatra iainanareo tanora. Teo amin’ny toeranareo toa izao aho 16 taona lasa izay raha nahazo ny Trophée du jeune entrepreneur voalohany.

Fantatro fa sarotra ny lalana ary mafy ireo sedra eo amin’ny fandraharahana saingy rehefa eo ny finiavana, ny herimpo ary ny finoana dia tsy maintsy tafita.

Ankehitriny adidiko ny manampy anareo. Olona mavitrika, miasa, ary tia Tanindrazana no andrin’i Madagasikara.

Izay no nametrahako ny Fihariana hampiroboroboana ny famoronan’asa sy ny fandraharahana ho an’ny rehetra, indrindra ny tanora sy ny vehivavy. »

FITSIPIKA

Fizotran’ny dingana


  1. Fametrahana ireo taratasy

    Mameno sy manatitra ireo antontan-taratasy rehetra ilaina eny amin’ireo toerana fanoratana anarana.

    Lisitry ny antontan-taratasy omena

    x

    Lisitry ny antontan-taratasy omena

  2. Sivana voalohany

    Mamaky sy manaiky ireo fepetra takian’ny Fihariana mifandraika amin’ny rafitra Fihariana.

    Fitsipika azo ekena

    x

    Fitsipika azo ekena
    • Fahalalahana ny tetikasa
    • Fahombiazan’ny tetikasa
    • Fahafahan’ny tetikasa mamorona asa ho an’ny Malagasy
    • Fiantraikany ara-toekarena sy sosialy
    • Ny modely ara-toekarena

  3. Fampiofanana voalohany

    Mahafehy ireo fampihofanana dingana voalohany atolotry ny Fihariana

    Taranja

    x

    Taranja
    • Fampianarana ny kolotsaina mpandraharaha
    • Fampianarana ara-bola
    • Tetikasa fanagonam-bola sy famatsiam-bola

  4. Sivana farany

    Mameno sy mahafehy ireo fepetra rehetra mifantoka amin’izay takian’ny mpiara-miasa ara-teknika sy ara-bola amin’ny Fihariana.

    Fitsipika fanamarinana

    x

    Fitsipika fanamarinana
    • Antontan-taratasy feno momba ny Tetikasa + tahiry hafa nangatahan’ireo mpiara-miasa ara-bola
    • Tetikasa mahomby
    • Tetikasa tsy mahafaty antoka
    • Fanomezan-toky ara-taratasy hamerenana ireo nindramina tamin’ny banky
    • Fahaizana miara-mitantana amin’ireo ekipa mpiara-miasa

  5. Fampiofanana

    Fahaiza- mitantana ny orinasany sy ny tetikasany tsara kokoa. Fitomboan’ny fahalalany be be koakoa amin’ny sehatry ny asa ataony.

    Lisitry ny fampianarana manaraka


  6. Fanatanterahana ireo tetikasa

    Fampiarana sy fampiasana ireo tombotsoa ara-teknika azo tamin’ny Fihariana. Arahina fanaraha-maso avy amin’ireo mpiara-miasa ara-teknika.


  7. Fanaraha-maso sy tombana

    Fanolorana tatitra momba ny fivoaran’ny tetkiasa sy fanomezana valin-asa araka ireo rafi-pampianarana

    Ny taha-pahombiazana mikasika
    ny fivoaran’ny tetikasa

    x

    Ny taha-pahombiazana mikasika
    ny fivoaran’ny tetikasa
    • Ny taha-jana-bola hamerenana ireo nindramina
    • Isan’asa nateraky ny tetikasa
    • Ny vola voahangona

  8. Famerenana ny vola nindramina

    Famerenana tsikelikely ny vola nindramina tamin’ny banky amin’ny tahany farany ambany mba ahaizan’ny mpandraharaha vaovao hitantana ara-bola.

Hisoratra anarana

Araho ireto dingana manaraka ireto

Fihariana

Fampindramam-bola manomboka amin’ny 1.000.000 Ar
hatramin’ny 200.000.000 Ar

fitsipi-pifehezana


Akoho nakà

Fampindramam-bola hatramin’ny 35.000.000Ar

fitsipi-pifehezana

Vaovaon'ny fihariana

Vaovaon'ny fihariana

06 August 2020

Fihariana - Soatantely manoloana ny COVID-19

Hanampiana ny mpiompy tantely iatrehana ny valan'aretina COVID-19 dia nametraka fomba fiasa manokana ny fandaharan'asa Fihariana. Araho eto ary ny [...]

Hamaky ny tohiny

06 August 2020

Fihariana - Anjara asan'ny komity mpifantina sy ny tolotra COVID-19

Ao anatin'ny fiatrehana feno ny COVID-19 sy ny vokany eo amin'ny toe-karena i Madagasikara ankehitriny. Namaliana ny fangatahan'ny sehatra tsy [...]

Hamaky ny tohiny

06 June 2019

Solimotel Anosy : nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana

Anio maraina no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana ireo ekipa mpampiofana mitondra ny anarana GERME na « GERez Mieux [...]

Hamaky ny tohiny

Tahirin-tsary

Sary Fihariana