Fihariana 2019

Malagasy tsara fihary, Madagasikara mandroso

Inona no atao hoe FIHARIANA ?

Programa Nasionalim-panjakana novolavolain’ny Filoha Andry Rajoelina, fandaharana hanomena fanohanana ara-teknika sy ara-bola ireo Malagasy manana tetikasa azo tanterahina.

Ireo mpanoratra anarana hita fa tena vonona ary manana tetikasa maharesy lahatra dia afaka mindrana 200.000 Ariary ka hatramin’ny 200 tapitrisa Ariary hanatanterahana ny tetikasany.

Ireo tanjona ?

Hampivoatra ny toe-karena eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fandraharahana sy ny famokatra asa.

Hanome fahafahana ny olom-pirenena Malagasy tsirairay handray anjara amin’ny fivoaran’ny nosiny izay mbola milomano anaty fahantrana lalina amin’izao fotoana izao.

Ireo vina ?

Famorona asa 10.000 isan-taona.

Hampiroborobo farany izay haingana ny toe-karena eto Madagasikara.

Hanome lanja ny Vita Malagasy.

Ireo soatoavina entinay ato amin’ny Fihariana ?

« Tsy ho foana izay kasainao raha manana finiavana ianao. »