Vaovao

« FIHARIANA : HIANTOKA FAMATSIAMBOLA 2 hetsy ariary ka hatramin’ny 200 tapitrisa ariary»

Ny Filoham-pirenena dia nanamafy ary nitondra fanampim-panazavana fa ny « Fihariana » dia hiantoka ny findramam-bolan’ireo tetikasa voafidy, manomboka amin’ny 200 000 Ar (Roa hetsy Ariary) hatramin’ny 200 000 000 Ar (Roan-jato tapitrisa Ariary) amin’ny alalan’ny ireo banky mpiara-miombonantoka. Ny vola dia haverina mandritra ny telo volana ka hatramin’ny telo taona (36 volana), amin’ny zana-bola namoraina sy mifanaraka amin’ny vola indramina. Ankoatra izany dia hamaivanina araka izay azo atao ny antoka takiana amin’ireo mpindram-bola.