Nosokafana ny Asabotsy 18 may 2019 tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Carlton Anosy ny Programa nasionaly ho an’i Fandraharahana « Fihariana ».
Ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana tamin’ireo mpiara-miombona antoka BOA sy BNI no nanamarika ny fanambohana izany.
Fandaharan’asa novolavolain’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mba hafahan’ireo Malagasy rehetra izay manana finiavana hananteraka ny tetikasany.
Hahazo fihofanana sy famatsiam-bola amin’ny taha-janabola farany ambany ireo mahafeno ny fepetra rehetra angatahina.